Azo antoka izany fa tsy ho latsaky ny 10 ireo kandida hanaparitaka vola na koa vinavinaina ho be vola indrindra amin’ity fifidianana manakaiky ity.
Ny faha 7 oktobra izao moa no hanomboka ny tena fampihelezan-kevitra fa na izany na tsy izany aza dia efa manomboka mitobaka eny anivon’ireo haino aman-jery isan-karazany amin’izao fotoana izao ny karazana dokam-barotra fanadihadiana mikasika ireo kandida sasantsasany. Izy 3 mirahahy heverina ho favori dia ny kandida Marc Ravalomanana, Hery Rajaonarimampianina ary Andry Rajoelina, ohatra, dia tsy ho paozipaozin’ny hihafihafy amin’izany mihitsy. Eo indrindra koa ny praiminisitra teo aloha, Solonandrasana Mahafaly Olivier. Ireo mpandraharaha goavana toa an-dry Erick Rajaonary sy Orlando Raobimanana koa dia azo antoka fa tsy ho latsa-danja amin’izany. Eo ihany koa ny mpahay fiarahamonina, Paul Rabary, izay mbola manohy hatrany ny fitetezam-pariny amin’ny alalan’ny Soavalivy eo anilan’ireo mpiara-dia aminy. Ny pasitera Mailhol moa tsy ho latsa-danja amin’izany rehetra izany. Saika hita miseho fahitalavitra matetika koa tato ho ato ny kandida Sarah Rabeharisoa. Ny praiminisitra teo aloha iray hafa, Jean Ravelonarivo koa moa tsy adino fa ny azo amintinana azy dia hoe azo antoka fa hafotaka dia hafotaka ny fampihelezan-kevitra saingy anjaran’ny mpifidy kosa no mijery izay tena hahantoka ny ho aviny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.