Politique

Fampielezan-kevitra any Farafangana Misy olana sahady


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2018

Anio alatsinainy 8 Oktobra no hanomboka ny fampielézam-kevitra araka ny voatondron,ny lalana mifehy ity fifidianana Filohampirenena ity.Diikany tokony ho tafapetraka alohan,io fepotoana io avokoa ireo fitaovana ilaina momba izany.

 

 Araka ny loharanom-baovao avy any Farafangana anefa dia mbola tsy tafavoaka ny vola hoentina manangana ny takela hazo hametrahan’ireo kandida ny afisy sy ny sarin,izy ireo hatramin’ny zoma 5 Oktobra teo.Ny kaominina hametrahana izany dia miisa 33 ho an,’ distrikan,i Farafangana. Noho ny hamehana araka ny feo re ,dia voatery ny rantsamangaiky ny CENI eo anivon’ny distrika nifampiraharaha tamina olona tsara sitrapo mba hahafahana mametaka io takela hazo io amin,ireo kaominina manamorona ny lalam-pirenena sy akaiky ny renivohitry ny distrika.   Ny tolakandron’io zoma 5 Oktobra io ihany dia tonga tao amin’ny biraon,ny CENI distrika ireo rantsamangaika avy any amin’ireo kaominina haka ny vola  voatokana  amin,ny fanamboarana takelaka hazo,saingy mbola tsy tafavoaka,hono,ny vola ,fa afaka manamboatra ny asa izy ireo raha mahita fomba hanatanterahana izany.Mazava ho azy fa fimenomenomana no setrin’izany, Raha izany àry ny zavamisy mialoha ny fampielezan-kevitra mba hanao ahoana  ny favoahan’ny vola  hoentina manaparitaka ireo kojakojam-pifidianana sy ny fanangonana ireo boka-pifidianana any amin’izany distrika izany ? Ahoana ny tambin-karama izay lazain ireo rantsamangaika any ifotony fa sady kely no tara lava ?  Heverina fa mila vahaolana haingana izany mba  ho tô ilay teny filamatra hoe:madio sy mangarahara ary ekenny rehetra.                                                                        

TADIGNY  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT