Politique

Fampielezan-kevitra Ahiana hiakatra hatrany ny maripana politika


  • Alarobia 10 Oktobra 2018

Miditra amin’ ny andro fahatelo ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana filoham-pirenena hatao ny 7 novambra ho avy izao. Hatreto, ireo kandidà vaventy ihany no nisongadina. Hita taratra izany tamin’ny famoriam-bahoaka, filaharambe…

 

 teto an-drenivohitra sy tany amin’ny faritra.  Mbola ao anatin’ny fiomanana ny fifidianana mihitsy amin’izao fotoana izao. Ireo kandidà sasany, izay voasokajy madinika dia mbola miziriziry amin’ny famoahana ny lisi-pifidianana hatrany kanefa ny lalàna no mametra izany. Tsy fantatra na paikady hafa entina hanababoana ny fon’ny mpifidy izany na mikononkonona hanakorontana fifidianana. Sarotra dia sarotra ho an’izay filoham-pirenena izay ho avy eo hahavita tanteraka ny fe-potoam-piasàny satria vao miainga ny fifidianana dia efa tahaka izao ny zava-misy. Mila miarina i Madagasikara izao ka izany indrindra no mahatonga an’ilay hoe olona efa niomana sy manana traikefa amin’ny fitantanana firenena no ilain’ny Malagasy fa tsy olona taitaitra fotsiny milaza fa manana vina mafilotra fotsiny. Tafiditra tanteraka amin’ny fampielezan-kevitra amin’izao fotoana izao ary ahiana hiakatra hatrany ny maripana politika eto amintsika ato ho ato.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT