Tapaka 100% teo anivon’ny Antenimieram-pirenena fa hanokatra fanadihadiana parlemantera momba ilay famoahana vola mitentina 17.3 miliara ariary tao amin’ny banky foibe ireo Solombavambahoaka teny Tsimbazaza
. Fantatra omaly ihany koa fa efa mahatratra 115 ireo Solombavambahoaka nanao sonia ny fitsipaham-pitokisana ny praiminisitra, hoy ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany Morondava Hawel Mamod’Ali fa mbola miandry fotoana ny hametrahana azy. Ny tsy nandraisan’ireo minisitra sy ny praiminisitra ny andraikiny nandritra ny zava –niseho teny Namontana ny alatsinainy alina no tena vao mainka nanosika ireto Solombavambahoaka ireto hiroso amin’ny fitsipaham-pitokisana. Momba ilay fitakiana ny fampiatoana ny Filoham-pirenena amin’ny asany indray dia nikasa ny hametraka fehin-kevitra eny anivon’ny Fitsarana avo Momba ny lalàmpanorenana indray ireo Solombavambahoaka ho valin’ny fiarovan-tena napetraky ny Filoham-pirenena.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.