Politique

Fampiasana fahefam-panjakana Ahiana hiboridana ny HVM


  • Alakamisy 09 Aogositra 2018

Tsy hita izay fanovana, fampandrosoana, fanatsarana ny fiainam-bahoaka satria nahazo vahana loatra ny tsy fanarahan-dalàna, ny fisian`ny tsimatimanota, ny kolikoly… teto amintsika.

Tsy takona afenina ny tsy fahombiazana. Manginy fotsiny ny tsy fahatanterahan`ny teny nomena. Tsy mahagaga raha nipoitra sy nahazo vahana ho azy tamin`ireny fidinana an-dalambe ireny satria tsy mahavaha    olana ny fitondram-panjakana. Tsy mahalala afa-tsy ny fiarovan-toerana, fampiasana ny fahefam-panjakana ho amin`ny tombontsoan`ny manokana. Tsy mandeha amin`izay izy ny fomba fanaovana politika sy ny antoko politika HVM. Mampatanjaka azy ny fampiasana fahefam-panjakana, olom-panjakana, fitaovam-panjakana… Mifangaro voraka ny maha olom-panjakana sy ny maha olon`antoko. Any am-pitsidiham-paritany ara-panjakana, ohatra, manatevina ny asan`ny antoko. Porofo, efa nahazo fitondrana vao nitsangana, izany hoe tsy manana olom-boafidy fa olom-boavidy. Eo ihany koa ny fandikan-dalàna, fanosihosena ny rariny, fanitsakitsahana ny fahamarinana nataon`ny antoko HVM.  Ny tsy fandriampahalemana, fidangan`ny vidim-piainana, fandrobana tany etsy sy eroa dia avadika ho politika hatrany rehefa tsy hita izay tena vahaolana. Tsy mahagaga, antomotra ny fifidianana ka atao avokoa izay hahatsara endrika ny tena. Io politika seho ivelany io ve no fahombiazana ? Raha ampiharina ny lalàna ary tsy mitanila ny mpiasam-panjakana sy tsy tratry ny teritery ara-politika, dia hiboridana eo ny kandidan’ny HVM zatra nampiasa fahefam-panjakana rehefa mamory olona. Miakina amin`ny fandraisana andraikitra tena mahomby eo amin`ny manampahefana sy ambarataonga eto amin`ny tany sy ny fanjakana ny fifidianana madio.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT