Noraisin’ny Sekretera jeneralin’ny Frankofônia, Michaëlle Jean, tao amin’ny foiben’ity vondrona iraisam-pirenena ity ao Paris, omaly, ny praiminisitra Jean Ravelonarivo.
Nandritra ny fihaonana no nanaovan’ity farany tatitry ny fizotran’ny fanomanana ny fampiantranoan’i Madagasikara ny fivoriambe faha-16 amin’ny 2016.
Nandritra ny fihaonambe tany Dakar no nanapahan’ny mpizaika ny handraisan’i Madagasikara ny fihaonambe amin’ny 2016. Sambany i Madagasikara no handray io fihaonamben’ny Frankôfônia io raha fanindroany no hanaovana azy aty amin’ny ranomasimbe indianina. Tamin’ny 2010 no efa tokony ho nandraisan’i Madagasikara ity fivoriambe ity saingy noho ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 nitarika krizy lavareny dia nafindra tany soisa izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.