Politique

Fampanofinofisan-dRajoelina Dodona tsy mahandry 5 taona ny vahoaka


  • Talata 22 Janoary 2019

Manomboka ny fotoana hahafahan’ny filoha vaovao Andry Rajoelina manatanteraka ny fampanofinofisana nakana ny fom-bahoaka.

 

 

 

 Ny Malagasy rahateo efa tena sahirana fa tsy mahandry 5 taona izany intsony. Tena mila fampandrosoana miantraika amin’ny fiainany andavanandro rahateo, ankoatra ilay politikan’ny kibo noresahin’ity filoha vaovao ity tetsy Mahamasina ny sabotsy teo. Maro ny olana sedrain’ny olona amin’izao, toy ny fidangan’ny vidim-piainana. Vahaolana maharitra no ilain’ny vahoaka fa tsy ny fizarana vary mora ho an’ny ampahan’olona eto amin’ny firenena. Efa nambarany ny hampitomboana ny velaran-tany hamokarana izay tena tsara tokoa. Tany amin’ny faritra Alaotra Mangoro moa i Andry Rajoelina tamin’ny fampielezan-kevitra dia nilaza mihitsy fa hizara tany 10ha avy ho an’ny tanora tsy an’asa. Ho tanteraka tokoa ve ?  Tsy misy ratsy ireo vina ka miandry ny isam-batan’olona satria fatra-panenjika fatratra ny fanjakana teo alohany raha ny mpiara-dia amin’i Andry Rajoelina. Sao mantsy hatao fomba fiteny sy firesaka indray atsy ho atsy ny hoe: tsy mora ny manao zavatra, ary mahandrasa dimy taona. Anisan’ireny ny fanaovana eson-teny tamin’i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny tsy fahatontosana ilay “telo volana monja dia voavahako ny delestazy”. Nametraka tokoa ity farany taty amin’ny fiafaran’ny taom-piasany ny fahavitan’ny tetikasa famokarana herinaratra amin’ny riandrano ary misy amin’ny tetikasa no eo am-panombohana, izay ny fanjakana Rajoelina no hisitraka azy. Ho hita eo ny hafitsony izay nilokaloka fa hampitomboany avo roa heny ny famokarana herinaratra eto ary ho amin’ny vidiny zakan’ny rehetra. Mila vahaolana maika ny vahoaka eo anatrehan’ny  fidangan’ny faktiora, ny sondro-bidin’ny solika saika isam-bolana, ny fitotongan’ny sandam-bola ariary izay tsy azo andrasana dimy taona. Ny voka-dratsin’ny loza voajanahary ihany koa io tena mila ny tolo-tanana sy vahaolana mafonja avy amin’ny fanjakana.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT