Politique

Fampandrosoana ny Kaominina Maika ny tetibola fanampiana avy amin’ny Fanjakana


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2015

Tsy laharam-pahamehana amin’izao vanim-potoana izao ny fizarana «tablette na moto» avy amin’ny fanjakana foibe, hoy ny Ben’ny tanŕnan’Antsirabe Paul Razanakolona

 

. Ilaina hafainganina kosa aminy ny fandinihan’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara ny tetibolam-panjakana, indrindra ny maribola fanampiana ireo kaominina eto Madagasikara. Tokony ho betsaka kokoa ny bolongam-bola ampiasain’ny kaominina mihoatra amin’ny fampandehanana ny minisitera, hoy ny mpitantana ny renivohitry ny faritra Vakinankaratra. Hiteraka fampandrosoana ary hipaka amin’ny vahoaka eny ifotony ny fanajana sy fanatontosana io fomba fiasa io, araka ny hevitr’ity olom-boafidy kaominaly ity. Asa maika hotanterahan’ny ben’ny tanànan’Antsirabe ny fanitsiana ireo lesoka tsy nety rehetra izay hatomboka eo anivon’ny mpiasan’ny kaominina. Eo ihany koa ny fitaizana ny mponina ho tia ny tanàna amin’ny fampirisihana azy ireo handoa hetra hanatsarana ny renivohitr’i Vakinankaratra. Anisan’ny himasoan’ny mpitantana an’Antsirabe moa ny fijerena akaiky ny fampivoarana ny fari-piainan’ny mponina tena latsaka an-katerena, araka ny fanampim-panazavany.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT