Politique

Fampandrosoana ny firenena Tsy maintsy miara-mientana sy miasa miaraka…


  • Alatsinainy 17 Desambra 2018

Be dia be ny ratra navelan`ny endriky ny fifampitondrana nandritra ny dimam-polo taona mahery.

 

 

 

 Niaina izany avokoa ny faritra rehetra manerana ny nosy ary taratra iray hiaraha-mahita ny fahantrana izay raiki-tapisaka amin`ny Firenena. Hiditra amina kihon-dalana lehibe i Madagasikara amin`ny taona ho avy. Fotoam-pifidianana isika kanefa tokony hibanjina ny ho avy. Ekena fa samy manana ny fahadisoany saingy tsy tokony hitodihana intsony fa kosa ny iray amin`ireo kandidà hisedra ny fihodinana faharoa ireo dia manana fahavononana hanova ny zavatra tsy nety tamin`ny fitantanana ny firenena. Marika ihany ny filoham-pirenena raha ny lalàmpanorenana no jerena. Manana andraikitra daholo ny rehetra amin`ny fanovana sy fampandrosoana ny firenena ary ny tena goavana, ny filoham-pirenena no fitaratra voalohany ka izy no mitarika sy mampiseho an`ilay fahavononana mametraka lamina rehetra ahafahana miroso amin`ny fanovana sy fiovana. Ny vahoaka ihany koa dia manana ny anjara birikiny amin`ny fampandrosoana. Ny vahoaka tsy mahandry dimy taona intsony fa ahiana mety ho roa taona na telo taona dia hiditra krizy indray.  Tsy ho marim-pototra ny fanarenana sy fampandrosoana izay andrandrain`ny rehetra raha tsy misy ny fiaraha-mientana. Raha tsiahivina, tsy nihetsika ny depiote 73 tamin`ny volana aprily lasa teo ary raha tsy nanaraka ny vahoaka dia tsy tonga amin`izao fifidianana izao satria saika tsy nilefitra ny mpitondra izay saika hanenjana. Endriky ny fitiavan-tanindrazana ny miara-mirona amin`ny fampihavanam-pirenena izay kendrena hiorim-paka ifotony. Ny fiaraha-mientan`ny olon-drehetra miaina sy mihary eto Madagasikara no andrandraina ary fotoana izao hanehoana izany. Taratry ny fitiavan-tanindrazana, taratry ny fitiavana an`i Madagasikara izany.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT