Mbola vao ny 4 %-n’ny vehivavy no lasa Ben’ny tanŕna tamin’ny fifidianana kaominaly notanterahina teto amintsika ny taona 2007 raha mpanolotsaina eny anivon’ny kaominina ny 6 %. Mbola tena ambany be io salan’isa io raha araka ny fanazavan’ny Genderlinks omaly,
antony nanaovan’izy ireo hetsika manokana nampiofanana ny vehivavy sy nanentanana azy ireo mba handray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena. Fantatra ihany koa fa tsy misy afa-tsy ny 10%-n’ireo mpifaninana ireo kandida vehivavy ben’ny tanàna raha 14% kosa ireo vehivavy hifaninana ho mpanolotsainan’ny tanàna amin’ny fifidianana kaominaly hotontosaina ny 31 jolay 2015 izao eto Madagasikara. Nanatanteraka ny fihaonam-be an-tampony momba ny miralenta sy ny fampandrosoana izy ireo omaly, hetsika efa fanaony isan-taona natrehina mpizaika manodidina ny 150 isa manerana ny Nosy. Haharitra roa andro ny fihaonana ka ankoatra ny fijerena akaiky ireo mpizaika nahavita asa tsara indrindra tamin’ny alalan’ny fifaninanana nampanaovina azy ireo, dia misy ihany koa ny fifanakalozana traikefa...hahafahana mampitovy isa ny lahy sy ny vavy amin’ny fandraisana andraikitra eto amin’ny firenena. Nambaran’i Alfine Papisy izay mpitarika ny hetsika moa fa efa azo lazaina ho tsara ihany isika eto Madagasikara amin’ny resaka miralenta saingy mbola tena mandeha miadana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.