Politique

Fampandrosoana ifotony Ho kaominina fitaratra ireo 213 azon’ny TIM


  • Alarobia 23 Septambra 2015

Matanjaka ny antoko Tiako I Madagasikara amin’izao fotoana izao, hoy ny filoha nasionaliny Ravalomanana Marc

. Tsy azo andrefesana ny herin’ny antoko mantsy ny fahabetsahan’ny kandida lany izay iaraha-mahita fa nisy ihany ny tsy ara-dalàna sy tsy fahamarinana saingy tsy fotoanan’izany intsony izao. Antony maro no nahatonga io isan’ireo kandida TIM ho 213 io raha tsy ilaza afa-tsy ny fanakanana ny haino aman-jery «Malagasy Broadcasting System» hisokatra isika miaraka amin’ireo sakantsakana samihafa, hoy ny tenany. Ampy tsara ireo tanàna ireo hatao ho kaominina fitaratra amin’ny fampandrosoana eny ifotony eto Madagasikara. Miverina tanteraka amin’ny heriny teo aloha ny TIM raha ny zavatra hitako tany ivelany, hoy ihany ny mpitarika ny antoko. Vonona avokoa mantsy ireo mpiara-miasa rehetra hampiofana ireo mpikambana, indrindra ny tanora TIM. Efa misy rahateo moa ireo ben’ny tanàna tsy miankina maro ny maniry hiara-kiasa amin’ny filoha mpanorina ny antoko Tiako I Madagasikara ka ho hita eo ny fifanampiana azo atao, araka ny fanazavan’i Dada Ravalomanana omaly nandritra ny fihaonany voalohany tamin’ireo ben’ny tanàna vaovao TIM teny Faravohitra.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT