Henony ny lazany nefa nandalo tanàna fotsiny ihany izy hatramin’izay dimy taona teo amin’ny fitondrana izay fa omaly zoma 24 aogositra kosa dia tonga nitsidika, nidina ifotony,
nahita maso ary koa nitokana ny ampahany amin’ireo fotodrafitrasa vita ao amin’ny kaominina Ivato, Distrikan’Ambohidratrimo ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Notokanany ny tranompokonolona nohavaozina ao Mandrosoa. Toy izany koa ny lalana vita rarivato sy latsa-tsimenitra mirefy 3km mahery ao Mamory sy ao Ivato izay volan’ny kaominina madiodio avy amin’ny hetra naloan’ny mponina no nenti-nanana azy. Tonga nijery ny fandroson’ny asa fanamboarana ny tsena vaovao, tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena ka nahazoan’ny kaominina famatsiam-bola mitentina 2,2 miliara Ariary ihany koa, io omaly io, ny filohan’ny Repoblika. Kaominina Ambanivohitra Ivato fa manoatra noho ny ambonivohitra raha fampandrosoana no resahina, hoy izy. Mifanohy amin’ireo fotodrafitrasa vita ato amin’ny kaominina ny fanitarana ny seranam-piaramanidina, ny fanamboarana ny lalana Tsarasaotra-Ivato. Araka ny fangatahan’ny Ben’ny tanàna dia hasiana toerana fandoavana vola fisotroan-dronono ho an’ireo beantitra eny Ivato. Tetsy an-kilany i Penjy Randrianarisoa, Ben’ny tanàna voafidy tamin’ny anaran’ny Tiako I Madagasikara, dia nampahatsiahy fohy ny zava-bitany tao anatin’ny telo taona nitantanany ity kaominina vavahadin’i Madagasikara ity sy ireo tetikasa eo an-dalam-pamitana. Isam-bolana dia misy zava-bita ato Ivato, ary mipaka amin’ny vahoaka izany ka mampavitrika azy ireo mandoa hetra.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.