Efa ela no niomana ny hitondra firenena indray ka hanohy ny fandaharanasa efa natombony dia ny Madagasikara Am-perinasa (MAP) ny filoha Marc Ravalomanana.
Na tamin’izy tany Afrika na tamin’ireo firenena maro notsidihany fony izy tsy afaka nody teto an-tanindrazana dia tsy nitsahatra ny nianatra, nifampiraharaha, nifanakalo hevitra tamin’ireo teknisianina sy mpiara-miombon’antoka ary mpamatsy vola ny tenany.Mazava ny tanjona dia ny handrafetana fandaharanasa mampandroso an’i Madagasikara ary mifanaraka amin’ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fivoaran’ny toekaren’izao tontolo izao. Efa notsidihan’i Marc Ravalomanana ny ankamaroan’ireo firenena Afrikanina mpikambana ao amin’ny SADC izay tena niaiky azy amin’ny fananany vina mitombina sy ny fisiana drafitra mazava hanatanterahany ilay vina. Io no antony nandrombahany ilay maripankasitrahana momba ny leadership farany teo. Anisan’ireo firenena goavana nalehany nikarohany mpiara-miasa ihany koa ny tany Norvège, Suède, Frantsa, Alemaina, Chine, Etazonia …Singanina manokana ny diany tany amin’ilay oniversite malaza any Etazonia dia ny oniversiten’i Harvard tamin’ny volana jona 2016 ka nahafahany nifanakalo hevitra tamin’ireo mpampianatra mikasika ny toe-draharaha iraisam-pirenena sy ny fomba hitondrana sy hahitana famatsiam-bola ny Madagasikara Am-Perinasa (MAP). Nandritra io fotoana io ihany koa no nitsidihany ny toeram-pikarohana ambony ao amin’ity oniversite sangany indrindra maneran-tany ity. Tsy fanapahan-kevitra taitaitra ny maha kandida an’i Marc Ravalomanana fa zavatra efa voadinika lalina ary efa mazava ny lalan-kombana hanarenana ny firenena. Tonga ity ny fotoana, ary hoporofoiny araka ny nambarany efa tamin’ny oktobra 2014 niverenany teto Madagasikara fa sioka tokana dia ho avy ny mpiara-miasa. Efa maro be ny sakantsakana sy antsojay marolafy natao azy sy ny fianakaviany kanefa mijoro hatrany ny lehilahy ary sahy. Mahatoky azy ireo mpanara-dia azy satria manana saina matanjaka ary tsy mihemotra amin’ny sarotra i Dadavalo. Mampitsiry ny fanantenana amin’ny Malagasy an-tapitrisany ihany koa izy, satria hafa ihany ny tamin’ny andron’i Dada fa tena nanomboka nijoro sy nanana ny hasiny ny Malagasy sy ny zavatra vita Malagasy. Fanambin’i Marc Ravalomanana ny hanetsehana ny fahaizana amam-pahalalana hananan’ny Malagasy na ny eto an-toerana na ny monina any ivelany mba hampandrosoana ny firenena. Tsy maintsy miasa mafy sy miasa tsara isika, hoy izy satria isika no tompony fa manampy fotsiny ireo mpiara-miombon’antoka.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.