Politique

Fampandrosoana an’i Madagasikara Ny fandaharanasan’i Dada no matotra indrindra


  • Alakamisy 25 Oktobra 2018

Tsy takona afenina intsony fa loharanona aingam-panahy ho an’olona maro Atoa Marc Ravalomanana sy ny fandaharanasany.

 

 

 Nisy mihitsy aza kandida tsy nisalasala naka tahaka ny Manifesto sy ny MAP (Madagasikara Am-perinasa) izay marihina tsara fa efa miditra amin’ny andiany faharoa amin’ity 2018 ity. Tamin’ny 2006 no nampiharina teto ny andiany voalohany. Tompon-kevitra tanteraka tamin’io i Marc Ravalomanana. Efa niaraka tamin’ilay vina Madagasikara Voajanahary ihany koa ny MAP andiany voalohany. Tsy nofinofy andro ririnina sanatria fa taorian’ny fitsidiham-paritra sy fakan-kevitra maro ary dinika niarahana tamina manampahaizana Malagasy sy vahiny no nahatongavana tamin’io fandaharanasa io. Matoa niaiky izao tontolo izao fa tena nisy ny fandrosoana sy fientanan’ny toekarena nandritra ny fitondrana Ravalomanana (2002-2009) dia nanana anjara toerana goavana tao anatin’izany ny MAP. Atao ahoana moa fa lasa fomba amam-panao eto Madagasikara koa tato anatin’ny taona vitsivitsy izay ny  « copier-coller » koa dia maka tahaka ny sasany, tsy menatra ary tsy mba manan-kambo kely akory. Mampiavaka ny laharana faha-25 Marc Ravalomanana anefa ilay fahaizany mifangaro amin’ny vahoaka, ary mora aminy ny mamantatra ny tena filan’izy ireo. Toerana 246 eto Madagasikara no efa voatetiny nihainoana sy nijerena ny filan’ny vahoaka hatramin’ny 2014 niverenany teto, fa tsy hoe nipetrapetraka tany andafy, dia naminavina sy namoromporona programa teo am-pandriana. Tsy fampisehoana, tsy fisehosehoana no atao fa tena fifampiresahana amin’ireo mpiray tanindrazana. Avy amin’izany no hamoahana fandaharanasa fa tsy hoe any ampitan-dranomasina no manao famelabelaran-kevitra amin’ny fiteny vahiny, tsy misy zavatra fantatry ny olona any ambanivohitr’i Bekily na Amparafaravola izay voaresaka ao. Ny olona monina an-drenivohitra aza mbola mifanontany hoe fa inona izany ? Vao mandalo na miresaka kosa anefa i Marc Ravalomanana dia efa mazava amin’ny rehetra, tsotra sady mahitsy, tsy mila kabary be fa asa no atrehana avy hatrany ary samy tompon’andraikitra io.  

Toky R sy RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT