Miandry fanampiana lava amin’ny mpamatsy vola i Madagasikara. Lasa fahazaran-dratsy mihitsy izany ary efa manomboka manidy ny paompiny aza izy ireo.
Manararaotra ny tarehimarika matroka omen’ny banky iraisam-pirenena ny mpitondra ka tsy mihetsika mihitsy fa miandry taty reraka fotsiny. Solontenan’ny mpamatsy vola iray aza moa dia niteny mihitsy fa maro ny firenena mahantra nampiana ka tafavoaka fa i Madagasikara dia tena tsy mety tojo fampandrosoana mihitsy. Maro be ary tena efa betsaka ny fanampiana efa noraisin’ny firenena Malagasy saingy mandady amin’ny kibony hatrany I Madagasikara. Ratsy tantana ny vola omen’ny mpamatsy vola ary tsy mandeha amin’ny tokony ho izy hany ka mahantra mandrakariva ny firenena. Irariana ny mba hisian’ny mpitondra mahay mitantana fa tsy tia tena amin’izay ho voafidy manaraka eo satria efa manomboka tofoka tanteraka ny mpamatsy vola.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.