Politique

Fampandaniana an’i Dada Mitohy sy mivelatra ny “porte à porte”


  • Talata 11 Desambra 2018

Efa mandroso sy mivelatra tsara ny fomba fiasan'ny K25, ary efa mandeha ny fanentanana toy ny an'ny Kaominina Ambohimangakely, ka anisan’ireny ny fokontanin'Ambohimahitsy.

 

 Ny "Porte à porte" no paikady hampiasainay ka misy ny fanentanana miampy ny fizarana ny “Manifesto” sy fametahana ireny peta-drindrina ireny, hoy Rakotoarijaona Jean Claude anisan’ireo manampy amin’ny fanentanana. Manentana ny rehetra mba samy handray anjara izy ireo ary aoka tsy hisy fanilikilihana ny namana izay maniry hiaraka amintsika sary ady sy tolona no hatrehantsika. Mila ezaka sy asa ny fandresentsika, hoy Ratovondrahona Solofoniaina na “Riri”. Manentana ny olona ho tonga hifidy satria maro ihany ny nieritreritra hoe handeha ho azy, saingy efa miara-mahita ny rehetra izao fa zava-dehibe ny fiaraha-mientana. Ny DIS TIM Avaradrano dia manentana ny rehetra handrotsaka ny laharana 25 fa eo isika no horaisina raha diso safidy eo, hoy hatrany I Riri. Manentana ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka mba handrotsa-bato ho an’i Marc Ravalomanana amin’ny 19 desambra, ary hanara-maso ny safidy natao. Izy no farafanantenana ho antsika, ary vao diso safidy eo dia hanenina tokoa ary hisy fiantraikany hatrany amin’ny taranaka faramandimby, hoy ny fanentanana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT