Politique

Fampandaniana an’i Dada Mirohotra miditra KMMR ny olona


  • Alarobia 19 Septambra 2018

Nanamafy Atoa Constant Raveloson raha nivahiny tao amin’ny fahitalavitra MBS fa tena vao miha nampientam-po ny olona ilay fanamafisan’i Marc Ravalomanana ny maha kandida azy nandritra ny hetsika goavana teny

 

 

 

Mahamasina ny sabotsy 25 aogositra lasa teo, hany ka mirohotra miditra ao amin’ilay Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana ho filoham-pirenena 2018 (KMMR 2018) ny olona amin’izao fotoana.Eo am-pandaminana tanteraka izahay amin’izao fotoana hoy izy, ary tsy tokony misy atahorana satria azo fehezina tsara izany fandaminana izany amin’ireo faritra 22 misy eto Madagasikara.Mitranga izany rehetra izany satria nanana 8 taona ny Malagasy nandinihana ny zava-misy teto Madagasikara sy ny fihombon’ny fahantrana izay efa tena mby an-koditra mihitsy, ka nahatsapa fa hafa ihany tamin’nny fitondran’i Dada ka aleo izy no averina eo hanarina an’i Madagasikara.Tato anatin’ny roa volana moa izay dia samyy nihetsiketsika nitety faritra fa hoe mba hanao pre-campagne ireo kandida filoha ka mipoapoaka ny kabary sy ny fisehosehoana.Tsara ho marihana kosa anefa , hoy I Constant Raveloson mpitarika ny KMMR fa effa hatramin’ny 13 oktobra 2014 niverenany an-tanindrazana no nilaza ny filoha Ravalomanana fa tsy hiandrasana 2018 izany ny famahana ny olan’ny vahoaka..efa nitety faritra, distrika, kaominina sy fokontany maro be izy ary nahita imaso ny fahorian’ny Malagasy.Porofo tena mivaingana eo imason’ny rehetra ihany koa ny fitsanganan’ny Magro, ny AAA Tiko ary farany teo ny haino aman-jery MBS sy Radio Mada.Kabary arahana asa ny an’i Marc Ravalomanana, misy ny programa mazava tsara izay mbola ho voaboasana rehefa tonga ny fampielezan-kevitra; efa manana mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka matotra ihany koa izy ary efa teniny ny hoe : tsy maintsy miverina ny hasin’ny Malagasy.Mijoro tsara ny Malagasy, ampy sakafo, mianatra, manana asa, ary tsy miaina amin’ny tebiteby lava noho ny asan-jiolahy.Zavatra azo tsapain-tanana no atao fa tsy manonofy atoandro na mampanantena volana sy masoandro, ao anatin’ny fanarahan-dalana, fanajana ny fitsipika sy ny fiaraha-mientana no hanatanterahana izany rehetra izany.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT