Tafajoro eny amin’ny Kaominina Alasora ny Komity hampandany ny kandida Marc Ravalomanana laharana faha-25 na ny K25.
Nifamotoana tao amin’ny Hotel Orion Alasora Avaradrano ny fikambanana maro samihafa, ny antoko politika, olon-tsotra vonona hanohana sy hametraka ny filoha Marc Ravalomanana hitantana ny firenena indray amin’ny fihodinana faharoa ny faran’ny herinandro teo. Nisy ny fananganana komity manohana ny kandida N°25 na ny K25 Alasora izay nandraisan’ny rehetra anjara nandritra ny fivoriana. Tao anatin’izany no nanoloran’ny komity vonjimaika nikarakara ny fivoriana ny fitsipika mifehy ny K25 ao Alasora hiatrehana ny fifidianana. Tapaka nandritra ny fivoriana fa atao fiaraha-mitantana ny fitarihana ny K25 ka filoha 9 avy amin’ny fikambanana toy ny TIM, KMMR, mpandraharaha, olom-boafidy teo aloha no mandrafitra izany. Eo ihany koa ny mpanolotsaina iray isaky ny fokontany 20 ao amin’ny kaominina Alasora, hiara-kiasa amin’ny filoha mpitantana. Niray feo ny K25 ao Alasora fa vonona hanarina ny lesoka tamin’ny fihodinana voalohany, hanao izay hampandresy amin’ny fomba mazava ny kandida Marc Ravalomanana amin’ny fihodinana faharoa. Nanome voninahitra ny fotoana tao an-toerana ny depiote voafidy tao amin’ny distrikan’Avaradrano Randriambolaina Gerry sy ny mpiara-miasa aminy ary ny DISTIM Avaradrano.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.