Mitohy foana ny fivorian’ny TIM Antsimo Andrefana ao amin’ny Magro Andaboly Toliara ny 4 aogositra 2018, tarihin’ny mpandrindram-paritra Sazalahy Tsianihy nahitana an’i Toliara I, Toliara II, Morombe, Sakaraha, Ankazoabo, Beroroha, Betioky, Ampanihy ary Benenitra.
Nambaran’Atoa Sazalahy Tsianihy fa hamafisina ny fanomanana, ny fiatrehana ny fifidianana amin’ny 7 novambra 2018. Mivory isaky ny fokontany TIM ao anatin’ny faritra Atsimo Andrefana ahitana ireo distrika 9 manomboka ny 7 aogositra, hampandaniana ny filoha Marc Ravalomanana fihodinana voalohany. Ny fivoriana dia ambany fitarihan’ny COM TIM sy ny DIS TIM isaky ny kaominina sy ny distrika. Hanao fifaninanana masina ny TIM manerana ny Nosy hiatrehana ny mpifaninana amin’ny kandidantsika. Ny vitan’ny hafa tsy maintsy vitantsika ary hiorantsika satria isika nitolona nandritra 5 taona mahery tamin’ny fotoana nanaovana antsojay ny Raiamandrenintsika Marc Ravalomanana, hoy ny hafatra nataon’ity mpitarika ity. Asehontsika ny fahalalantsika sy ny fahaizantsika amin’ny fahavononantsika ao anatin’ny firaisankina sy fitiavana satria ny tia fihavanana mahavita soa noho ny ambony fianarana, hoy ny fanambarany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.