Hampandany an'i Dada miaraka amin'ireo fikambanana mivondrona ao amin'ny club Toliho, izay ahitana fikambanana maro any amin’iny ilany Atsimon’ny Nosy iny, toy ny CCT (Colléctif de Cadre Tuléar), ny IMMR (Isika Miaraka Mandresy Ravalomanana, VA.TO.MA.MY (Vahoaka Tokana Malagasy Mivoatra),…
Efa nanao, manao, ary mbola hanao asa fanasoavana hatrany izy ireo, hoy ny fanambaran’ny Namana Zores isan’ireo mpitarika mafana fo. Laharam-pahamehana sy foto-kevitra isan’ny voizin’ny Club Toliho ka maharesy lahatra azy amin’i Marc Ravalomanana ny tanjona: fampandriana fahalemana ny tany indray, fanomezan-danja ny fahasalamam-bahoaka, hanatsara ny fiompiana sy ny fambolena foto-piharian’ny maro an’isa amin’ny Malagasy, fanafoanana ireo mpijirika ny harena an-dranomasina amin’ny alalan’ny sambo lehibe,… Mampahatsiahy izy fa tamin’ny 2003-2009, dia nandry fahalemana ny tany, nilamina sy natory an-trano ny mpiompy sy mpamboly, tsy mitaintaina ny mpandeha satria nilamina sy tsy nisy mpanafika ny taksibrosy eny amin’ny làlam-pirenena, ny teratany vahiny dia niasa tsara sy natory tsara satria tsy nisy firy ny fakana an-keriny. Nilamina ihany koa ny fifandraisana sy ny fitadiavana làlam-barotra tamin’ny any ivelany, nianatra sy nisakafo, ary afaka nisitraka fitsaboana ny rehetra tamin’ny ankampobeny,… Liam-pivoarana, manaraka ny toetr’andro ihany ko aizy ireo, ary isika tsy naman’izay mihemotra fa handao hiaraka aminay : « fidio i Dada », hoy izy, izay maneho fa ho avy masiaka amin'ny fampandaniana an’i Marc Ravalomanana amin’ity fihodinana faharoa ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.