Politique

Fampandaniana an-dRajoelina Mikofokofoka mafy ry Ratsirahonana


  • Zoma 17 Aogositra 2018

Miara-mivory sy miketriketrika mafy ireo ekipan-dRajoelina hanohana azy amin’ny fifidianana amin’izao, toa an-dry Norbert Lala Ratsirahonana,

 Mamy Ravatomanga, Hajo Andrianainarivelo, Lalatiana Rakotondrazafy, Jean Louis Robinson ... Voalaza fa tanjona  ny hampandany an’i Andry Rajoelina amin’ny fihodinana voalohany. Tsikaritra ho mikofokofoka mafy mihitsy i Andry Rajoelina mba hoenti-milaza fa mahazo olona ary be mpanohana. Rehefa tsy lany eo ve dia hanangam-bovona hanakorontana ? Toa hafahafa ihany koa amin’izao ny resaka tsy fiandanian’ny manampahefana. Mampametra-panontaniana, ohatra, ny hoe tena hanana izay tsy fitanilana izay ve ny praiminisitra Ntsay Christian izay natolotry ny MAPAR ? Nalaza rahateo tamin’ny famoriam-bahoaka nataon-dRajoelina ny 01 aogositra izay saika tsy nahazo alalana fa izy no nanome baiko hentitra amin’ny hamelana ny famoriam-bahoaka. Iaraha-mahalala ihany koa fa iray amin’ireo mpanolotsaina azy i Lalatiana Rakotondrazafy. Ny vaomiera misahana ny fifidianana na ny CENI ihany koa dia hatry ny ela no somary nananan’ny mpijery avy ety ivelany ahiahy satria raha ny tantara dia efa tamin’ny 2010 nanovan’ny tetezamita ny lalàmpanorenana no efa filohan’ny CENIT Atoa Hery Rakotomanana, ary tsaroana fa ny kara-pokontany aza nahafahana nifidy. Ny minisitry ny atitany ihany koa dia avy amin’ny MAPAR.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT