Politique

Famotsorana ireo gadra politika Sao dia fandrebirebena fotsiny, hoy ny FEDeP


  • Alarobia 18 Febroary 2015

Nitsangana ara-dalàna ny 7 febroary 2015 teo ny «Fédération des Ex-Détenus Politiques de Madagascar», ka Atoa Manandafy Rakotonirina filoha nasionalin’ny MFM no filoham-boninahiny

 

. Mivondrona ao anatin’ny FEDeP avokoa ireo gadra politika nanomboka tamin’ny taona 2002 hatramin’izao taona 2015 izao. Foto-kevitra ijoroan’ity fikambanana tsimialonjafy ity ny hoe «Fifamelan-keloka, fifankatiavana ary fihavanana». Manana andraikitra lehibe amin’ny fomba hitondrana ny fampihavanam-pirenena tena izy izay tarihin’ny FFKM ny gadra politika satria nandray anjara feno hatrany tamin’ireo hetsika fitiavan-tanindrazana teto Madagasikara tao anatin’izay folo taona mahery izay. Mahatsiaro ho voailikilika sy lasa anjorom-bala anefa izy ireo manoloana ny fanomezan-danja be loatra ireo filoham-panjakana nifandimby nitantana ny firenena amin’ny fanomanana ireo antontan-kevitra haroso any amin’ny faritra.

Fifanarahan’i Maputo I

Tsy afaka niroso tamin’ny fampihavanam-pirenena ankehitriny i Madagasikara raha tsy teo ny fifanarahan’i Maputo I. Efa voalaza tao mantsy ny tsy maintsy hidiran’ny Malagasy amin’ny fifampidinihana ao anatin’ny fifamelan-keloka. Voasoritra tao ihany koa ny famotsorana ireo gadra politika sy ny fiverenan’ireo sesitany politika. Fanamafisana sy faneken’ireo vondrona sy sokajin’olona nisolo tena ny vahoaka izay voarakitry ny «Accord de Maputo I» ihany ny fanaovan-tsonia ny tondrozotra fivoahan’i Madagasikara ao anatin’ny krizy teny amin’ny Paon d’Or Ivato, araka ny fanazavan’ny federasion’ireo gadra politika eto Madagasikara.

Fandrebirebena avokoa

Fifanarahana iraisam-pirenena io ka ambony noho ny Lalàna manan-kery eto anivon’ny firenena Malagasy. Fandrebirebena avokoa noho izany ny resabe momba ny fandroritana tsy misy farany ny fodian’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc eto Madagasikara. Gaga amin’ny tsy mbola nahazoam-baliny mahafa-po mikasika ny zo amin’ny fanonerana azy ireo izay fanampiana avy amin’ireo mpamatsy vola ihany koa moa ny FEDeP. Andrim-panjakana ara-dalàna napetraky ny tondrozotra moa ny FFM ary efa natolotra azy ireo antontan-taratasy miisa 594 momba ireo gadra politika. Vonona hijoro hanaraha-maso ny fampiharana izany rahateo ny federasiona, araka ny fanazavana teny Antaninarenina.

Fiaraha-miasa fa tsy fanilikilihana

Tsy lavina ny maha mpisehatra fototry ny krizy ireo filoham-panjakana 5 saingy sakana ho an’ny fampihavanam-pirenena kosa ny fanilikilihana. Sary fitaratra mendrika ny haseho ny vahoaka Malagasy anefa ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ireo nofonjaina sy ireo nampigadra. Takian’ny federasion’ireo voafonja politika eto Madagasikara kosa ny hisian’ny fihaonana antampony mivelatra hoan’ireo olom-pirenena tompon’andraikitra. Hanolotra tsy ho ela ireo tolo-kevitra ireo amin’ireo raiamandreny am-panahy sy ireo filoham-panjakana moa ny FEDeP.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT