Politique

Famotsorana an’i Marc Ravalomanana Nihetsika teny Ambohijatovo ny KMFB sy ny JMM


  • Talata 18 Novambra 2014

Miha mitombo ihany ireo hetsika fitakiana ny famotsorana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana . Nisy omaly Alatsinainy 17 novambra ny fihetsiketsehana na karazana “Sit-in” teo Ambohijatovo sy Andohan’Analakely notanterahan’ireo mpikambana avy ao amin’ny Komity Miaro ny Fiainam-Bahoaka na KMFB sy ny JMM

. Fikambanana samy ao anatin’ny vovonana miaro ny foto-kevitra fampandrosoana nentin’ny filoha Marc Ravalomanana izy roa ireo. Tsy miaro tsangan’olona akory izahay, hoy izy ireo, fa miaro kosa ny foto-kevitra fampandrosoana izay nentin’ny filoha Marc Ravalomanana. Maro ihany koa ny tsy fanarahan-dalàna izay hita teo amin’ny nisamborana azy, indrindra ny fanagadrana ity filoha teo aloha voafidim-bahoaka ity. Raha tena hiroso amin’ny fampihavanana marina isika, hoy ny KMFB sy ny JMM dia tsy maintsy avoaka aloha ny filoha Marc Ravalomanana. “Avelao izy hody ao an-tranony ka hiaina malalaka toy ny olom-pirenena Malagasy rehetra, izay vao azo hirosoana ny fampihavanam-pirenena tena izy…..” Farany dia ny FFKM izay vondron’ny mpitondra fivavahana ihany hoy izy ireo no azo hinoana fa hitondra sy hitarika ny fampihavanana tsy mitanila. Mpisandoka sy efa manana fironana avokoa ireo hafa milaza hanao izany fampihavanana izany ankoatry ny  FFKM. Tsy azo inoana fa hahavita io fampihavanana io ireo fikambanana nosafidiana sy napetraka ny tetezamita notarihan’i Andry Rajoelina ary mpanatontosa ny baikon’izao fitondrana kaboraraka ankehitriny izao fotsiny. Nokianin’ny KMFB sy ny JMM mafy ny filankevitry ny fampihavanana malagasy izay amin’izy ireo dia tsy atokisana fa hahavita an-tsakany sy an-davany ny fampihavanam-pirenena tena izy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT