Politique

Famotsorana an’i Dada Manaiky I Hery, andro sisa isaina


  • Alarobia 17 Desambra 2014

Niaiky ny filoha Hery Rajaonarimampianina omaly fa tena nihaona tany Nosy Be tokoa izy sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny alatsinainy lasa teo. Nambarany fa dingana ao anatin’ny fampihavanam-pirenena izany.

Misy dian-tanan’i Etazonia

Notsoriny fa efa mandeha ny fifampiraharahana ny amin’ny famotsorana ity filoha teo aloha ity. Mety samy manana ny fomba iantsony ny zava-misy ny tsirairay avy, hoy izy. Misy ny milaza fa nisy ny fifanarahana politika teo amin’ny roa tonta. Amiko dia dingan’ny fampihavanam-pirenena tsy maintsy irosoana izao tranga izao, hoy hatrany i Hery Rajaonarimampianina. Miha mazava fa hody miaraka amin’ny fianakaviany tsy ho ela intsony Atoa Ravalomanana. Nifanojo indrindra tamin’ny fanamafisan’ny fanjakana Amerikanina ny fiverenan’i Madagasikara indray ao amin’ny tsenan’ny AGOA ny alatsinainy 15 desambra lasa teo ny fihaonana teo amin’i Hery Rajaonarimampianina sy Marc Ravalomanana tany Nosy Be, ny Amerikanina izay vao tsy ela akory izay dia nanambara fa tokony hiara-kiasa amin’i Marc Ravalomanana sy ireo filoha nifandimby teo aloha ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Raha nangina ny Frantsay hatramin’ny nahatongavan’i Marc Ravalomanana teto Madagasikara dia fantatra fa manaraka akaiky ny toe-draharaha ny Amerikanina. Raha ny fahitan’ny maro azy dia efa mampiseho mihitsy fa mitaky ny famotsorana an’i Marc Ravalomanana izy ireo.

Tsy misy famatsiam-bola raha tsy ….

Tsy tongatonga ho azy ny fitsidihana orinasa afakaba MAZAVA sportswear nataon’ny filoham-pirenena teny Ankadindravola Ivato omaly fa tena misy ifandraisany amin’ny AGOA sy ny fanambaran’ny fanjakana Amerikanina. Etsy an-kilan’izay, tsy mbola misy aloha hatramin’izao ny famatsiam-bola azon’i Madagasikara avy any ivelany na dia teo aza ny fanomezan-toky nataon’ny vondrona eoropeanina sy ny fanaovan-tsonia mifandraika amin’izany. Tsy maintsy misy tokoa ny fomba firesaka ara-diplaomatika, fa raha ny tena marina dia manery mafy ny fitondrana Rajaonarimampianina ny sehatra iraisam-pirenena mba hanohy ny fampiharana ny tondrozotra sy hiroso amin’ny fampihavanam-pirenena tena izy. Midika izany fa tsy maintsy avotsotra i Marc Ravalomanana izay tsy maintsy handray anjara mivantana amin’ny fampihavanam-pirenena.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT