Mandeha mafy be ny fifampiresahana sy ny fifandresen-dahatra efa hatramin’ny alatsinainy lasa teo momba ny famotsorana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mba hahafahany miatrika ny fankalazana ny tsingerintaona
65 taonany miaraka amin’ny fianakaviany sy mankalaza ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona ihany koa. Araka ny tsiliantsofina re hatry ny omaly dia mety avotsotra ihany koa i Jean Marc Koumba, tsy fantatra mazava anefa hoe fahafahana vonjimaika mba hahafahana miatrika ny fety fotsiny ve io sa tena famotsorana tanteraka mihitsy. Tsy mbola mazava kosa ny momba ireo mpiasan’ny « Aviation Civile de Madagascar » 4 voafonja any Antsiranana.
Ho fantatra anio ny marina
Ny talata lasa teo no fantatra fa niverina tany Antsiranana indray Rtoa Lalao Ravalomanana, omaly alarobia kosa dia nahoraka be fa lasa any avaratra mba hijery ny rainy ihany koa Rtoa Sarah Ravalomanana, saingy sarotra moa ny nanaporofo ny fahamarinan’io vaovao iray io hatry ny alina. Na izany aza anefa dia azo antoka fa tsy tongatonga ho azy na fifandrifian-javatra fotsiny izany rehetra izany ary tsy mitsahatra ny fifampiresahana sy fifampidinihana ho amin’ny famahana ny olana momba ity raharaha Ravalomanana ity, ary na ny mpitondra fanjakana ambony maro nanontaniana aza dia efa samy niaiky fa tsy raharaham-pitsarana no vahaolana amin’izy ity fa ny fanapahan-kevitra politika avy amin’ny filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimampianina. Ny ankolafy Ravalomanana, hatramin’ny sabotsy lasa teo dia efa nilaza fa andrasana ny fivoahan’i Dada mialoha ny alakamisy (anio) ka raha ny tokony ho izy izany dia fantatra mazava amin’ity anio ity ny tena marina rehetra na avotsotra ihany i Dada na mbola hogadraina any Antsiranana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.