Betsaka ny Malagasy tsy mbola mahafantatra ny momba ny famotsiam-bola.
Efa tena misy an’io tranga io anefa eto Madagasikara ary izany no antony nananganana ny sampandraharaha miady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiana asa fampihorohoroana (SAMIFIN). Ny famotsiam-bola dia fomba iray entina manakona ny fiaviam-bola iray azo avy amin’ny fandikan-dalàna. Ohatra amin’izany ny fiandoham-bola avy amin’ny fanaovana kolikoly, ny halatra, ny fanodinkodinana volam-panjakana, ny famarotana zava-mahadomelina izay voararan’ny lalàna. Amin’izay dia afenina tsy ho hita taratra mihitsy ka tahaka ny vola madio ilay vola maloto azo tamin’ny fandikan-dalàna. Raha manodidina ny resaka fifidianana indray kosa dia voararan’ny lalàna ny kandida sy antoko politika izay mandray famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana avy any ivelany. Izay rehetra izay no ilana fametrahana olona sy sampandraharaha tahaka ny SAMIFIN hitsirika sao misy famotsiam-bola. Adidin’ny banky sy ireo rafitra mpikirakira vola no manao ny fanambarana ahiahy mankany amin’ny SAMIFIN rehefa misy vola hita ho hafahafa ny fiaviany. Ohatra amin’izany ny fomba fampidirana na famoahana vola izay tsy manaraka ny fomba mahazatra na miakatra be tampoka. Rehefa tsy mahazo valiny mahafa-po ny banky amin’ny vola na loharanom-bola avy amin’ny toerana iray na firenena ampidirina eto Madagasikara dia manao avy hatrany izay fanambarana ahiahy izay any amin’ny SAMIFIN.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.