Politique

Famotsiam-bola ahiana ataona kandida Naharay fitarainana ny SAMIFIN


  • Alarobia 31 Oktobra 2018

Anisan`ny andraikitra omen`ny lalàna ny SAMIFIN ny fiaraha-miasa amin`ny rafi-panjakana sy ny rafitra tsy miankina.

 

Sampandraharaha miady amin`ny famotsiam-bola sy famatsiam-bola amin`ny asa fampihorohoroana ny SAMIFIN ary rafi-panjakana ny vaomiera mpanara-maso. Nanamarika ny tale jeneralin`ity rafi-panjakana ity, Lamina Boto Tsara Dia fa misy ny antontan-taratasy voarain`izy ireo mahakasika fitoriana ny fampiasam-bola tsy mazava ataon`ireo kandidà filoham-pirenena sasany amin`ireo 36 voalaza ireo. Notsiahiviny fa tsy nametraka fetra amin`ny vola ampiasaina amin`ny fifidianana ny lalàna ka malalaka ny mpirotsaka hofidiana ny amin`izay heveriny hoenti-manana ahafahany mampandany azy. Efa mandinika sy mikirakira izany fitoriana izany kosa anefa ny SAMIFIN. Nilaza izy fa ny antony nametrahana ny komisionina momba ny fanaraha-maso ny famatsiam-bola amin`ny fiainana ara-politika (CCFVP) eto Madagasikara dia ahafahana mandinika ny kaontin`ireo mpifaninana tsirairay ireo. Ny vaovao rehetra mifandray amin`ny famotsiam-bola dia mandray sy manao fanadihadiana ka mety hifandraika amin`ilay kaontin`ny mpifaninana na koa mifandroy amina fanomezana natao amin`izay enti-manana amin`ny fifidianana izay ka misy hifandraisana amina famotsiam-bola, hoy hatrany ny fanazavana. Mahakasika ny fanomezan-tanana eo anivon`ny SAMIFIN sy ny komisionina dia nanamafy ity tale jeneraly ity fa zava-dehibe ny hananana fifidianana lavitry ny vola maloto ary adidy no mametraka fomba fiasa ahafahana manara-maso mialoha, mandritra na ao aorian`ny fifidianana. Tanjona ny fifidianana lavitry ny vola maloto fa hevitra sy vola omen`ny lalàna no ampiasaina anatin`ny adihevitra politika. Araka ny fanazavana natao tamin`ireo solontenan`ny mpifaninana omaly indrindra tamin`ireo mpitantam-bola, ny fomba hanatanterahana ny asa dia miainga avy amin`ny ahiahy misy ka hampita ny fanadihadiana natao any amin`ny rafitra natao hanatanteraka izay. Nampatsiahivina ihany koa tao anatin`ity fampiofanana ity fa misy andraikitra izay tsy mbola tanteraka nataon`ireo kandidà sasany tahaka ny fametrahana ny mpitantam-bolany eo anivon`ny CENI izay mampandrindra ihany ny fanaraha-maso ny fampiasam-bola nataon`ireny kandidà ireny. Hadihadiana amin`izany ny loharanom-bola sy ny mpamatsy vola raha misy ny trangana fanadiovana vola maloto na famatsiam-bola avy amin`ny loharanom-baovao tsy marim-pototra, hoy hatrany ny fanazavana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT