Aoka hazava fa fankahalana sy fialonana an-dRavalomanana no nanonganam-panjakana teto tamin’ny 2009. Aiza daholo moa izao ireo olona tamin’izany ?
Nahavita nanova sy nanarina firenena ve ? Toa aferafera sy kolikoly no tena nirongatra niampy ilay toe-tsaina tia gaboraraka sy tsy mety fehezina. Nambara fa mpanao ampihimamba, mpangoron-karena, mpanao didy jadona, mpivarotra tanindrazana,… i Marc Ravalomanana tamin’izany. Fa mba nanao ahoana ny tamin’ny fanjakana tetezamita ? Raha nambara fa nangoron-karena izy dia nobatainy tany Dubai sy Lafrantsa na Maorisy ve sa ny Malagasy mpiray tanindrazana no nisitraka azy ? Sady tsy nahavita nanangana fa namotika ny firenena na ara-toekarena na ara-toetsaina. Tsy nisy tany tan-dalàna izany rehefa naongana ilay filoha nolazaina ho mpanao jadona, hany ka samy nanao izay saim-pantany ny mpitondra tamin’ny fangoronan-karena sy ny fanondranana harem-pirenena tamin’ny endriny maro. Raha tsy naongana i Marc Ravalomanana, dia azo antoka fa tsy ho toy izao ny fiainan’ny Malagasy saingy manetsetra sisa azo atao. Izao ny mpamotika firenena indray no milaza fa hanao zavatra, izay tsy sasatry ny mamita-bahoaka. Fifanandrifian-javatra ve sa tsiny sy todin’ny famotehana ny firenena sy namotehana an-dRavalomanana fa toa ratsy fiafara ny olon’ny tetezamita sasany ? Minisitra 7, ohatra, no efa lasan-ko razana, ary toa maty tamin’ny fomba hafahafa sy ratsy fiafara. Tsy mamoha fota-mandry fa mampahatsiahy ny tantara satria matin’ny loza an-dranomasina ny 28 aogositra 2011 ny minisitry ny mponina Nadine Ramaroson, izay feno misitery hatramin’izao. Na i Alain Ramaroson any am-ponja amin’izao aza dia nilaza fa niniana novonoina izy. Matin’ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tany amin’ny lalam-pirenena faha-6 ny minisitry ny serasera tamin’izany dia Itompokolahy Malazarivo Felix ny 4 septambra 2012; tao koa ny namoy ny ainy fa nianjera tampoka tao anaty trano fidiovana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.