Politique

Famorim-bahoakan’ny HVM amin’ny sabotsy Fizaram-bola tahaka ny mahazatra no hiseho eny


  • Alakamisy 24 Mey 2018

Mitohy hatrany ny fanehoan-kevitra politika manoloana ny savorovoro eto Madagasikara.

 “Tsy fotoanan’ny fampisehoan-kery intsony izao sady fantatra hatrany fa fizaram-bola tahaka ny fomba fiady fanaon’ny HVM no hiseho eny Antsonjombe”, hoy Andriamatoa Alexandre Georget filohan’ny antoko Maitso manoloana ny hetsika fihaonam-be karakarain’ny HVM.  Izao savorovoro izao dia noho ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny mpitondra fanjakana tamin’ny fandaniana bontolo ny lalàm-pifidianana izay mifanohitra tanteraka amin’ny lalàmpanorenana. Tsy mahagaga amin’izao fotoana izao raha ny fialan’ny filoham-pirenena mihitsy no angatahana satria ankoatra ny  famonoan’olona nataony dia nisy ny tsy fanajana demokrasia izay nanakana ny fanehoan-kevitra malalaka amin’ny zavatra tsy mety amin’ny firenena. Ao anatin’ny fitsipika anatin’ny antenimieram-pirenena no tokony hanaovan’ny depiote tatitra amin’ny vahoaka saingy nosakanana. Ankoatra izay, tsy voapetraka mihitsy ny fitsarana ambony izay tokony ho napetraka 12 volana taorian’ny nanaovan’ny filoham-pirenena fianianana. Noho izany, mila mametra-pialana ny filoham-pirenena. Raha tsy izay dia ampiharina ny andinin-dalàna faha-54, izany hoe ny parlemantera maro an’isa no mahazo ny toeran’ny praiminisitra handehanana amin’ny fifidianana mirindra tsy misy korontana, hoy hatrany ny filohan’ny antoko Maitso. Hampiharina koa ny lalàna mifehy ny antoko politika amin’ny fifidianana. Manoloana ny fidradradradrana fa manana depiote maro an’isa 79 ny HVM dia fantatra fa solombavambahoaka namadika ny antokony daholo ireo ka ilaina ny fanaovana ny lalàna mifehy ny antoko politika mba tsy hamadibadika palitao tahaka ireo depiote HVM ireo.


Tsiry sy Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT