Politique

Famonona an’i Andry Rakotovao Iza marina no tena atidoha nikotrika azy ?


  • Talata 17 Martsa 2015

Olona telo no nampidirina am-ponja vonjimika satria ahiahiana fa tompon’antoka tamin’ny famonoana ily mpandraharaha mpanefoefo Andry Rakotovao tany Moramanga. taizan’i tompokolahy ny iray ary ny renin’io taizany io ny iray, niampy olona iray hafa. I Bary Dominique ilay mpamily voasambotra tany Maroantsetra no nanondro ireto olona ireto ho atidoha nikotrika sy naniraka azy hamono an’ity mpandraharaha ity, raha araka ny tatitra nataon’ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana

 

. Etsy an-kilan’izay anefa dia misy ny mailaka naparitaka olona tsy mitonona anarana saingy manizingizina kosa fa mifankafantatra tsara amin’ny fianakavian’itompokolahy milaza fa hoe tsy mitombina ny fiampangan’i Bary Dominique azy mianaka voatonona etsy ambony ho atidoha nikotrika ny famonoana an’i Andry Rakotovao. Raha ny filazan’ity olona tsy mitonona anarana ity dia misy olona roa hafa izay akaikin’ny fianakavian’itompokolahy no tena ahiahiana fa ao ambadiky ny famonoana azy. Ny mahagaga dia miaina tsara sy miriaria any ary tsy voaantson’ny mpitandro filaminana mpanao famotorana mihitsy ireto olona roa ireto hatramin’izao. Tsara homarihina fa mpandraharaha amin’ny resaka vary fony fahavelony i Andry Rakotovao, ary anisan’ireo mpandraharaha azo atao hoe manana ny maha izy azy sy tena manam-bola tokoa, ka maro ihany no mieritreritra fa misy ifandraisany amin’io asany sy ny harembeny io ny antony namonoana azy. Fa na ahoana na ahoana moa resaka sy tombantombana dia ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminna sy ny fitsarana ihany no mety hahafantarana ny tena marina, raha hipoitra io tena marina io…Indray andro any !


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT