Politique

Famonoana ny kolonely Ratsimandrava Tombontsoa ho an’iza ?


  • Alarobia 11 Febroary 2015

40 taona lasa izay no namonoana ny kolonely Richard Ratsimandrava, izy ilay namindran’ny jeneraly Gabriel Ramanantsoa ny fahefana mba handamina ny savorovoro ara-politika sy ara-pitantanana teto Madagasikara tamin’ny 1975, telo taona taorian’ny nirodanan’ny repoblika voalohany.

 

Tsy niamboho adidy…

Nanaiky izany ny kolonely Ratsimandrava, ary mbola tsaroan’ny maro hatramin’izao ilay teniny nanao hoe : “tsy hiamboho adidy aho mon general…”. Voahosotra ho filoham-panjakana ny 5 febroary 1975 ny kolonely Richard Ratsimandrava, anisan’ireo manamboninahitra Malagasy voalohany nandalim-pahaizana tany Frantsa sy nianatra tao amin’ny sekoly miaramila manokana Saint-Cyr, any Coëtquidan. Enina andro ihany anefa no naha filoha azy dia nisy nitifitra izy ary maty. Mbola mijanona ho mistery ny famonoana ny kolonely Ratsimandrava hatramin’izao, ary maro be ny resaka momba azy io, ny hany azo antoka fotsiny dia vondron’olona tsy nakasitraka ny politika noheverina napetraka teto Madagasikara ka nanomezana vahana ny fahefan’ny fokonolona sy namerenana tamin’ny laoniny ny hasin’ny fiarahamonina tena Malagasy no nikononkonona ny famonoana azy.

Misafotofoto

Anisan’ireo olo-maventy nalaina am-bavany sy nohadihadiana nandritra ny fitsarana ny raharaha famonoana ny kolonely Richard Ratsimandrava ny filoha Philibert Tsiranana, filohan’ny repoblika voalohany ; teo ihany koa ny kolonely Roland Rabetafika izay tazana teny Ambohijatovo nanakaiky ny toerana nitifirana ny fiaran’ny kolonely Richard Ratsimandrava. Lalako mody isan’andro iny ka izay no nahatazanana ahy teny, hoy ny kolonely Roland Rabetafika. Nitantana ny fitondrana tetezamita taorian’ity raharaha ity ny jeneraly Gilles Andriamahazo. Nisavorovoro ny firenena nanomboka teo, nisy ny fisamborana, natao ny fitsarana ny 12 jona 1975 ka anisan’ireo afaka madiodio Atoa isany Philibert Tsiranana sy André Resampa. Ny 15 jona 1975 no  notendren’ny fitondrana tetezamita ho filoham-panjakana ny capitaine de frégate Didier Ratsiraka. Izay ny tantara, ary 40 taona aty aoriana dia tsy fantatra hoe i Jumbo teo Ambohijatovo ambony marina ve no nitifitra ka nahafaty ny kolonely Ratsimandrava sa efa novonoina mialoha teny an-dalana na tany amin’ny biraony araka ny resa-be mandeha hatramin’izay izy ?


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT