Politique

Famonoana ny kapiteny Falihery Sivily roa naiditra am-ponja vonjimaika


  • Alakamisy 15 Oktobra 2015

Nampidirina am-ponja vonjimaika ny sivily roa izay voampanga ho nanao afera na basy rehefa avy nohenoin’ny fampanoavana tao amin’ny fitsaran’i Betroka omaly. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny zandary manamboninahitra lefitra roa izay samy miasa ao amin’ny kaompanian’ny zandary ao Betroka.

 

 Omaly no niakatra  fampanoavana ny raharaha mahakasika ny famonoana  na ny marimarina kokoa dia ny firaisana tsikombakomba tamin’ny  namonoana ny kapiteny Falihery Andriatiana izay  komandin’ny  kaompanian’ny zandary tao Betroka teo aloha.

 

Mpanao aferana basy

Raha tsiahivina, mpivarotra  basy  efa fantatry ny rehetra  ao Betroka ireto  naiditry ny fampanoavana am-ponja  ireto. Tamin’ity raharaha ity anefa vao nandraisana fanapahan-kevitra izy ireo. Ny  iray dia efa nosamborin’ny Emmo Nat tany Betroka tamin’ny taona 2014 tamin’ilay raharaha basy grizzly  miisa 30 tratra  tany amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Ny somary nanaitra  dia ny momba ilay zandary manamboninahitra  lefitra  iray izay havan’olona ambony iray nahazo fahafahana vonjimaika kanefa  izy sy  io  olona ambony miaro azy io dia efa ahiahian’ny  fianakaviamben’ny zandary tokoa. Io olona ambony  io rahateo moa dia ananan’ny mpanao gazety  maro  antontan-taratasy momba ny asa ratsy vitany,  fa mbola tsara  mpiaro aloha  izy hatramin’izao. Ny  fampanoavana no tompon’ny fanadihadiana  ka dia  hajaina izay fanapahan-kevitra noraisiny. Nanaitra koa  ny fihetsik’ireo  jeneraly  zandary maromaro  niarahaba manokana  ilay zandary  manamboninahitra lefitra. Mitohy ny raharaha.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT