Politique

Famonoana ny kapiteny Falihery Miditra an-tsehatra ny « procureur général » Toliara


  • Talata 13 Oktobra 2015

Lasa raharaham-pirenena lehibe ny fikatsahana ny mpiray tsikombakomba tamin’izay namono ny kapiteny Falihery Andriantiana, lehiben’ny vakim-pileovan’ny zandary tao Betroka teo aloha.

 

 Araka ny vaovao farany voaray dia efa tonga any am-pelatanan’atoa Haja Geraldo, lehiben’ny  fampanoavana ao amin’ny  fitsarana ambaratonga  voalohany any Betroka ny taratasy fanomezan-dalana ny fitsarana  hanohy ny fanadihadiana izay ataony avy amin’ny sekreteram-panjakana  miadidy ny  zandarimariam-pirenena dia ny jeneraly  Paza  Didier Gérard izany. Fantatra fa tonga any amin’ny distrikan’i Betroka ankehitriny ny « procureur général » avy any amin’ny  faritanin’i Toliara  hanara-maso ny fizotry ny raharaham-pitsarana rehetra. Fantatra ihany koa fa tsy ny raharaha firaisana  tsikombakomba  tamin’ny  famonoana  an’ny kapiteny Falihery ihany no  hotsaraina tsy ho ela  any Betroka fa eo ihany koa ny  fitoriana  nataon’ny depiote  Randrianasolo Jean Nicolas ny adjida Tsiliva taty  amin’ny DPJ taty Antananarivo izay efa nalefa any amin’ny fitsarana any Betroka avokoa ny momba ny  fanadihadiana.  Ny  tena maha raharaha  lehibe ity  fanadihadiana any Betroka ity dia ny  mahasaringotra  ny adjida sefo Casmir izay zandrin’ny  depiote Randrianasolo Jean Nicolas  amin’ilay  raharaha  Falihery. Ny  Depiote  moa efa namoahan’ny  mpanao gazety antontan-taratasy  roa momba ny raharaha  mahakasika azy  tao anatin’ny herinandro, nefa koa  olona akaiky ny Filoham-pirenena izy.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT