Politique

Famonoana mpitondra Mijanona ho mistery eto Madagasikara


  • Alakamisy 15 Oktobra 2015

28 taona aty aoriana, nipongatra indray ny raharaha Thomas Sankara any Bourkina Fasso. Maty ny taona 1987 ity filoha izay nianatra tao amin’ny ACMIL Antsirabe ity. Voaporofo izao taorian’ny fitsirihana ny taolambalony izay navoaka ny fasana fa tena maty notifirina tokoa izy.

 


 

 Meloka voalohany henjehin’ny fitsarana Borkinabe ilay mpitsabo nandainga tamin’ny fomba nahafatesan’ny kapiteny Sankara. Voatonontonona ihany koa ny RSP na ireo miaramila mpiaro manokana ny filoham-pirenena. Voatonona tao koa ny filoha Blaise Compaore izay voaongana tamin’ity taona ity. Aiza ho aiza isika eto Madagasikara ao anatin’izany rehetra izany ? Misimisy ihany mantsy ireo mpitondra fanjakana, tompon’andraiki-panjakana ambony, manamboninahitra miaramila sy zandary maty tamin’ny fomba mampiahiahy na tsy voazava tsara. Efa nisy filoham-panjakana maty voatifitra teto, minisitra maty noho ny loza an-dranomasina, andiana manamboninahitra maty tamin’ny fianjerana fiaramanidina, tale jeneralin’ny banky foibe maty tampoka rehefa avy nivory…Notsotsorina fotsiny ny momba ireo raharaha ireo. Tsy nisy fanadihadiana lalina fa nodimandry dia izay. Matetika koa moa mangina ny fianakaviana noho ny antony maro ka sarotra ny mikaroka ny tena marina. Dia mijanona ho tantara sy mistery fotsiny ilay izy. Raha tena famonoana tokoa no nahafaty ilay tompon’andraikitra ambony sy olona manana ny maha izy azy teto amintsika ireo dia milamina ary tsy manahy fanasaziana mihitsy izany ireo nahavanon-doza. Ny loza dia mety mbola hanohy ny fomba ratsy fanaony izy ireo rehefa misy olona hitany fa manelingelina azy.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT