Na dia teo aza ireo karazana tsindritsindry samihafa dia tsy nataho maso mena ny fitsarana tao Betroka fa nijoro sy niaro kosa ny fahamarinana. Notsaraina ny herinandro lasa teo tany an-toerana ilay raharaha namonoana an’i Tsiharangy Retana, kandida tsy miankina avy amin’ny antoko Firaisankina tao amin’ny kaominin’i Ianakafy nandritra ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo.
Naiditra am-ponja vonjy maika ny olona efatra voampanga tamin’io raharaha namoana an’ity kandida ity io. Anisan’ny tokony ho nampidirina am-ponja ihany koa i Fety Mana, ilay ben’ny tanànan’ny antoko Hvm izay nifaninana mivantana tamin’ity kandida maty ity saingy nahazo fahafahana vonjy maika izy. Marihina fa kandida notohan’ny Dépioté Randrianasolo Jean Nicolas tao amin’ny kaomin’ Ianakafy i Fety Mana .
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.