Teboka iray lehibe nivoaka tamin’ny fihaonan’ireo filoham-panjakana 5 niaraka tamin’ireo filoham-piangonana FFKM 4 mirahalahy ny teny nomen’ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery ny famoahana ireo gadra politika mialoha ny faran’ny taona 2014
Eo am-piandrasana ny fampiharana ity fanapahan-kevitra noraisina taorian’ny fihaonana an-tampony ity ankehitriny ny Malagasy amin’ny ankapobeny ary ireo voakasik’izany sy ny fianakaviany manokana. Nanamarika anefa ny minisitry ny Fitsarana Ramanantenasoa Noëline fa ny filankevitry ny minisitra amin’ny alalan’ny didim-panjakana ihany no manana ny teny farany momba izany. Efa misy ireo lisitry ny voafonja miaramila sy olon-tsotra, hoy ity tompon’andraikitra voalohany misahana ny fitsarana ity saingy tsy maintsy jerena akaiky ireo olona gadra voalazan’ny fanambarana nivoaka ny zoma 19 desambra 2014 lasa teo. Raha ny fantatra hatreto dia miisa 15 ireo miaramila voarohirohy ara-politika ka ny 3 eny Tsiafahy, 9 eny Antanimora ary 3 hafa manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.