Fotoana lehibe eto amin`ny firenena ny fotoana nanaovan`ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina sy ny filoham-pirenena vaovao, Andry Nirina Rajoelina, ny fifamindram-pahefana notronin`ny filoham-panjakana, Rivo Rakotovao.
Ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina no tonga voalohany teny amin`ny lapam-panjakana tamin`ny 10 ora sy sasany. Nanaraka azy avy eo ny filoham-panjakana tamin`ny 10 ora 45 mn. Niroso tao amin`ny biraon`ny filoham-pirenena teo aloha izy ireo ka niroso tamin`ny fanaovan-tsonia an`ireo antontan-taratasy. Tamin`ny 11 ora kosa no niditra tao anatin`ny lapam-panjakana ny filoha vaovao ka nisy dinika nikaton-trano teo amin`ny telo tonta. Rehefa nivoaka sy nandao ny lapa ny filoham-panjakana, dia mbola nanohy ny dinika ny roa tonta. Tamin`ny 11 ora 45 mn kosa vao niditra tao anaty efitrano ireo mpanotrona sy ny mpanao gazety nanatrika ny fifanaovan-tsonia teo amin`ny roa tonta. Vita ny dingana rehetra dia niverina nikaton-trano izy mirahakahy ka tamin`ny 11 ora 55 mn, no nivoaka ny birao ary nanatitra ny filoha Hery Rajaonarimampiania teny amin`ny varavaran`ny lapa. Tsy nisy ny fanolorana an’ilay « lakilen’ny repoblikan’i Madagasikara » teo amin`ny filoham-pirenena roa tonta na dia efa naranty teo am-baravaran’ny lapa aza izany. Endrika ivelan’ny fifamindram-pahefana fotsiny ihany moa izany fa tsy voasoritry ny lalàna ho tsy maintsy atao akory. Horaketina ao anatin`ny diary eto Madagasikara ny omaly zoma 18 janoary satria izay vao nisy fifandimbiasam-pahefana teo amina filoham-pirenena voafidim-bahoaka. Tsikaritra ihany anefa teny an-toerana fa somary nangatsiaka ny fandraisana, indrindra teo amin’i Hery Rajaonarimampianina sy Andry Rajoelina, ary tsikaritra teny amin’ny endrik’izy tsirairay izany na dia niezaka ny nitsiky ihany aza izy mirahalahy. Taorian’ny fifampiresahana ka nirosoana tamin’ny fanasoniavana ireo boky famindram-pahefana no tena nahitana izany. Rehefa naka sary sy nifanao veloma teo amin’ny varavaramben’ny lapa avy eo dia hita ho samy maika hizotra amin’ny lalany ny roa tonta, ka na ny fifandraisan-tanana aza dia fihetsika tsy voajanahary fa noteren-ko masaka fotsiny.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.