Vita ny 31 jolay ny fifidianana ben’ny tanàna. Ho an’Antananarivo Renivohitra manokana dia efa nazava fa nandresy i Lalao Ravalomanana tamin’io daty io. Ny 18 septambra vao nambara tamin’ny fomba ofisialy ny maha ben’ny tanàna azy.
Nanomboka teo dia somary nisavorovoro kely satria ela loatra ka nampieritreritra ny famindram-pahefana. Vita ihany anefa izany ny sabotsy 3 oktobra lasa teo, ary ny alakamisy 8 oktobra no nandray ny fanapahan-keviny voalohany amin’ny fampiatoana ny fanotofana tany ny ben’ny tanàna. Efa maromaro ihany ireo ben’ny tanàna nametrahana samboady sy nanaovana lanonana ofisialy ny fametrahana azy amin’ny toerany tamin’ity herinandro ity. Miandry kosa ny rehetra ny amin’ny hanaovana lanonana ofisialy hametrahana ny samboady ho an’ny ben’ny tanànan’ny renivohitr’i Madagasikara. Efa ho avy amin’ny fisasahan’io herinandro io mantsy ilay fivoriana hiantsoana ny ben’ny tanàna rehetra eny Iavoloha ka asa raha mialoha na aorian’io no hanaovana ilay “investiture”. Re siosion-dresaka fotsiny fa eo amin’ny lapan’ny tanàna Analakely no hanatanterahana ny lanonana. Ho hita eo izay mety ho fivoaran’ny toe-draharaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.