Haverina ny fanompoam-pirenena ivelan’ny tafika na ny “Service National” ho an’ireo tanora nahazo ny maripahaizana bakalorea. Io no anisan’ny nisongadina tamin’ny tolo-kevitra nataon’ireo mpizaika amin’ny Safatsiroa ho an’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana izay nisokatra omaly teny amin’ny trano fivoriana iraisam-pirenena eny Ivato ny fivoriana.
Ny safatsiroa (isa fa tsy roa) dia midika tsy manam-paharoa.Ankoatra ny famerenana ny fanompoana ho an’ny tanora nahazo maripahaizana dia navoitran’ireo mpizaika tamin’ny tolo-keviny ihany koa ny momba ny fanomezana fampiofanana manokana sy ny fampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana,ny fameloma-maso ny « quartier mobile ». Tsapan’ireo mpizaika ihany koa fa kely ny vola entin’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly ka tokony hampitomboina izany. Manodidina ny raharaham-pitsarana indray dia tokony hisy ny sampana mpanara-maso ny mpitsara amin’ny fanaovan’izy ireo ny asany. Ny mpitsara izay tsy tokony hijanona mihoatra ny telo taona amin’ny toerana iray, hoy ireo mpizaika.
Milamina vao mandroso
Raha nandray fitenenana kosa ny filoham-pirenena dia nambarany fa tsy hisy fampandrosoana ho vanona raha tsy misy fandriampahalemana ary tsy hisy fandriampahalemana ihany koa raha tsy mandroso ny toekaren’ny tsirairay. Mifameno ireo fa ny tokony hojerena manokana dia ny mba hananana fitsarana tsy andairan’ny kolikoly ary ny tsy hisian’ny tsy maty manota intsony, hoy ny filoham-pirenena. Nasian’ny filoham-pirenena teny ihany koa ny momba ireo orinasa tsy miankina izay misahana ny asan’ny mpitandro ny filaminana izay mila fanatsarana ny lalàna mifehy azy.
Haharitra efatra andro ity dinika izay karakarain’ny fiadidiana ny praiminisitra ity ka hatolotra ny filoham-pirenena ny tsoakevitra azo eo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.