Politique

Fametrahana ny demokrasia Hatao maodely aty Afrika i Madagasikara


  • Talata 18 Desambra 2018

“Hatao maodely aty Afrika amin`ny fametrahana demokrasia sy ny fitoniana ny fifidianana izay atrehina amin`ny 19 desambra ho avy izao i Madagasikara”, hoy Maka Alphonse, filohan`ny Filankevitry fampihavanana Malagasy (CFM).

 

 

 

 Nametraka fahatokisana amin`ny CFM ny vondrona iraisam-pirenena toy ny fikambanana iraisam-pirenena miteny frantsay (OIF) sy ny vondrona eoropeanina mba hisian`ny fitoniana mialoha, mandritra ary aorian`ny fifidianana.  Tonga nitsidika ny komitin`ny fampihavanam-pirenena ny mpanara-mason`ny fifidianana vahiny mba hijery akaiky ny asan`ity rafi-panjakana ity amin`izao vanim-potoana izao, indrindra ny fizotry ny fifidianana. Mitovy ny tanjona, hoy i Maka Alphonse, satria fifidianana madio, eken`ny rehetra ary ao anatin`ny tontolo milamina no hanatanterahina izany. Hapetraka ihany koa ny paikady rehetra amin`ny fifidianana filoham-pirenana fihodinana faharoa ho avy izao. Efa nisy rahateo ny fifanatonana natao teo amin`ny kandidà hametrahana ny fitoniana ary tazonina ny hevi-dehibe tao anatin`ilay satan`ny fitondran-tenan`ny kandidà (Charte de bonne conduite) mba tsy hisian`ny krizy intsony fa kosa fifandimbiasan-toerana ara-demokratika. Nifarana omaly ihany koa ny fivoriana ara-potoana fahatelo ho an`ny komitin`ny fampihavanana Malagasy tamin`ity taona 2018 ity.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT