Politique

Famatsiam-bolan’ny fifidianana Sioka tokana dia milamina ny an’i Dada !


  • Talata 18 Septambra 2018

I Marc Ravalomanana irery hatreto no efa nanambara tamin’ny fomba ofisialy tany Antsirabe ny sabotsy 15 septambra lasa teo fa hisokatra tsy ho ela ny Tahiry ho fampandaniana ny kandida Ravalomanana, araka ny tondroin’ny lalam-pifidianana.

 

Maro hoy izy ny olona efa nanatona ahy ary saika hanolotra vola fanampiana saingy nolazaiko hoe aleo miandry ny fisokafan’io kaonty io aloha fa isika tsy maintsy manara-dalàna. Tsy andrankandrana no atao eto fa zavatra matotra ary hita fa efa tena niomana tokoa amin’ny fifidianana sy ny ho fitantanany indray ny firenena i Dada ary manana mpiara-miasa manana ny fahaizana amin’ny sehatra rehetra hahatongavany amin’izany.Tsy tokony hohadinoina fa tamin’ny fitondrana Ravalomanana no nananganana ny Bianco miady amin’ny kolikoly sy ny Samifin miady amin’ny famotsiam-bola ary nanomboka ny fampiharana ny politikan’ny mangarahara amin’ny fitantanana ny fitondrana. Nametraka ny tetikasa fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana ihany koa. Tsy sanatria rediredy na fampiesonana fa tena hoporofoin’i Dadavalo amin’izay amin’io fampielezan-kevitra io ilay hoe « sioka tokana dia tonga ny mpiara-miasa ». Anisan’ny efa nanambara ny fanohanany tsy misy fepetra ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana izao omaly ny fikambanana Ravalomanana USA na ireo mpanohana an’i Dada any Etazonia. Mbola santatra am-bavarano ihany io fa raha ny fantatra dia maro be ireo olon-tsotra, vondron’olona, fikambanana hanampy an’i Dada ary handrotsa-bola ho fanatanterahana ny fampielezan-kevitra, araka ny lalàna. Afaka mandray anjara ary manampy avokoa ny olon-drehetra, fikambanana, orinasa afa tsy ny orinasa hananan’ny fanjakana petra-bola. Afaka manampy ihany koa na ny Malagasy na ny teratany vahiny na eto an-toerana na avy any ivelany satria efa nambaran’ny HCC tamin’ny alalan’ilay fanapahana laharana 15-HCC/D3 tamin’ny 3 mey 2018 momba ny fitantanana ankapoben’ny fifidianana fa tsy mety ka notsoahana ilay andininy faha-74 sy 75 ao amin’io lalàna io milaza fa tsy azon’ny teratany vahiny atao ny mamatsy vola ny kandida iray mandritra ny propagandy. Tsy azo atao kosa ny firenena vahiny manampy kandida iray. Efa noporofoiny nandritra ny nitantanany an’i Madagasikara (2002-2009) fa henjana amin’ny fikarohana famatsiam-bola hahafahana manao asa goavana ho an’ny firenena i Marc Ravalomanana ary mbola hoporofoiny in-dray mandeha indray io fahaizany sy fahakingany io. Ny zanak’i Dada rahateo manerana ny lafivalon’ny Nosy dia efa vonona hanampy azy ary hitondra ny anjara birikin’izy ireo amin’ny fampandaniana an’i Dada. Sahy aho matoa kandida ary rehefa manao zavatra dia atao tsara, manara-dalàna ary mandresy no toromarika, araka ilay hira faneva. Izay no fomba fiasan’ny kandida laharana faha-25 ary efa tafita tsara any amin’ireo mpanara-dia azy io.

RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT