Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny malagasy etsy Anosy ny fankalazana ny faha-135 taonan’ny fiaraha-miasan’ny firenena malagasy sy alemanina (talata 15 mey 1883 – talata 15 mey 2018).
Nampatsiahivin’ny minisitry ny raharaham-bahiny malagasy, Henry Rabary Njaka, nialoha ny fitsidihana ireo fampirantiana teny an-toerana fa nifototra tamina fifanarahana ara-barotra ombam-pitoniana nifanarahan’ny mpanjakan’i Madagasikara, Ranavalona II, sy ny mpanjaka alemanina, Guillaume I, hatrany no mbola iombonan’ny firenena tonta hatramin’izao. Tetsy an-kilany, ny masoivoho alemanina eto amintsika, Harald Gerhig, dia nanao antso avo manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny dia tsy misy vahaolana ankoatra ny fifampidinihana ihany. Izay, hoy ny tenany, no nampilamina sy nampivondrona an’i Eoropa ka nahatonga ny vondrona eoropeanina ho anisan’ny matanjaka ankehitriny taorian’ireo ady lehibe niisa 2.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.