Politique

Famahana ny krizy Manaraka ny hevitry ny MFM


  • Alakamisy 15 Janoary 2015

Efa tamin’ny volana septambra 2011 no nandroso paikady hivoahana amin’ny krizy ny antoko Mpitolona ho amin’ny Fandrosoan’i Madagasikara (MFM). Tsikaritra ary fa efa maromaro mba tsy ilazana hoe ny teboka rehetra tao anatin’io antontan-kevitry ny MFM io no nampiharina hivoahana amin’ny krizy nanomboka tamin’ny 2013.

Singanina manokana amin’izany ny  fodian’ny filoha  Ravalomanana, ny fampihavanam-pirenena tarihan’ny FFKM izay hany fikambanana manana ny rantsa-mangaikany manerana ny nosy no sady to teny kokoa noho ny fikambanana hafa rehetra. Amin’izao fotoana dia efa  manangasanga ilay rafitra  « praesidium » izay raha fintinina dia ny fiaraha-miasa na fiaraha-mitantan’ireo filohana ankolafy. Efa miendrikendrika izany no misy ankehitriny amin’ny alalan’ny fivoriana misesisesy ataon’ireo filoha 5 miaraka amin’ny FFKM eny Ivato. Antoko hita fa manana fandinihana lalina ny raharaham-pirenena ny MFM tarihan’Atoa Manandafy Rakotonirina, izay ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana moa ary tsy mitsahatra ny mikaroka hevitra hahitana vahaolana mahomby sady maharitra amin’ny krizy miverimberina eto amin’ny firenena. Azo ambara fa tanteraka ankehitriny ny nofinofin’ity antoko ity satria manaraka ny ampahany betsaka amin’ny soso-kevitra narosony ny fomba hivoahana amin’ny krizy. Na izany aza anefa tsy mora ny mamaha ny olana rehetra misy eto Madagasikara, ka asa hoe mety hanao ahoana ny mety tohin’ny tantara …Diavolan-ko lava ny lalao mbola ho ela.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT