Eo amin’ny fanendrena praiminisitra no tena ifantohan’ny adihevitra sy ny fifandresen-dahatra tato anatin’ny herinandro latsaka kely izao. Efa mazava ny an’ny depiote ho an’ny fanovana fa dia mitovy hevitra ny TIM sy MAPAR amin’izay praiminisitra ho avy eo.
Raha ny siosion-dresaka re tamin’ny angom-baovao isan-karazany natao dia re fa anio alatsinainy no hahafantarana ny anaran’ ny praiminisitry ny marimaritra iraisana; maro moa ireo anarana re tetsy sy teroa, saingy ny faran’ny herinandro teo kosa dia nisy karazana anarana hafa nivoaka indray ka anisan’ny mbola tafaverina tao anatin’io ny solombavambahoakan’Ambositra Hary Andrianarivo, i Joseph Randriamampionona na i Dadafara izay mpanorina ny Discount Store Saturne sy efa kandida filoham-pirenena, eo ihany koa i Erick Rajaonary, ary anarana farany nivoaka ny an’ny jeneraly Rasolosoa Dolin.Re ihany koa fa sady tsy olon’ny Mapar, tsy olon’ny TIM ary tsy olona avy ao amin’ny HVM io ho praiminisitry vaovao io.Mazava ho azy fa tsy maintsy manana ny ho ambarany manoloana izany ireo mpianandrina politika amin’izao fotoana sy ny sehatra iraisam-pirenena.Na inona na inona adihevitra sy kabary atao mantsy dia fantatra tsara fa mbola lava tanana amin’ny raharaham-pirenena eto Madagasikara ny vahiny amin’ny alalan’ny firenena mikambana sy ny vondrona eoropeana ary ireo masoivohon’ny firenena matanjaka toa an’i Frantsa, Etazonia ary Alemaina.Etsy ankilan’izay re ihany koa fa hahazo ministera iray avy amin’ireo sokajiana ho ministeran’ny fiandrianam-pirenena ny TIM sy ny MAPAR…tsy tafiditra ao anatin’ny governemanta kosa ny AREMA raha ny tsiliantsofina re.Somary mimenomenona ihany kosa ireo vondron’antoko milaza fa mpanohana ny fitondrana satria tsy araka ny noeritreretin’izy ireo ny toerana voatondro ho azo ao anatin’ny governemanta vaovao hijoro eo.Ho hita eo izay fitrangany izany !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.