Politique

Famahana krizy politika Mila dinika avo lenta


  • Zoma 25 Mey 2018

Raha nandahatra ny filana fototry ny zanak’olombelona ilay manampahaizana amerikanina, Abraham Maslow, dia notanisainy tao ny filana fitafiana sy sakafo ary fonenana.

Nampian’ilay manampahaizana Britanika, Claude Levi-Strauss ireo filana atenantenany sy ambony indrindra taty aoriana ka nambarany fa misy ny antsoina hoe rafitra fototra (infrastructure), toy ny kolontsaina sy ny sosialy, ny rafitra afovoany (structure) toy ny toekarena. Fa misy kosa ny avo lenta sy tsy voatery ho takatry ny maro dia ny resaka politika sy fivavahana (superstructure). Amin’izay maha rafitra avo lenta ny politika izay, araka izany, dia tsy ilaozana dinika avo lenta hatrany ihany koa ny famahana ny krizy politika eto amin’ny firenena. Tsy mitombina ny hoe mpanao politika ka tsy tia na mitady seza satria tonga amin’ilay fanehoan-kevitr’izy ireny matetika ihany hoe tsy afaka ny hanova zavatra raha tsy tafiditra anaty rafitra. Raha iverenana anefa ny namaritan’ireo mpandinika Grika izay namorona ny politika tamin’ny fotoan’androny dia midika ho fitantanana sy fikatsahana izay hahasoa ny fiarahamonina. Tsy ny fahefana, araka izany, no olana ankehitriny fa ny fampiasana azy.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT