Tsy azo leferina intsony ny fakana an-keriny teratany Frantsay eto Madagasikara, araka ny fanambaran’ny masoivoho Frantsay eto amintsika. Naneho hevitra momba ilay fakana an-keriny teratany Karana mizaka ny zom-pirenena Frantsay tany Toliara ny herinandro lasa iny
Atoa François GoldBlatt, misolotena ny fanjakana Frantsay eto Madagasikara omaly teny Ivandry. Nisy ny mpitandro filaminana Frantsay nalefa tany Toliara hanadihady sy hikaroka ny marina, efa nomena ary mbola homena ny mpitandro filaminana sy manampahefana malagasy ny vokatry ny fanadihadiana. Olona 9 no fantatra fa efa voasambotra noho ity raharaha fakana an-keriny an’i Houssein Anvaraly ity. Mampanahy, hoy Atoa Goldblatt fa mety hisy akony ratsy any amin’ny fampiasam-bolan’ireo mpandraharaha Frantsay eto Madagasikara izao fakana an-keriny izao raha tsy hahitam-bahaolana haingana ny fisorohana azy.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.