Politique

Fakan-kevitry ny FFKM Tonga teny Faravohitra avokoa ny ankolafy 5


  • Talata 18 Novambra 2014

Nanomboka omaly alatsinainy ny dinika fakan-kevitra karakarain’ny FFKM ho fanohizana ny fampihavanam-pirenena. Nahatonga solontena teny Faravohitra avokoa omaly ny ankolafy 5 misy ireo filoham-pirenena nifandimby teto dia ny ankolafy Ravalomanana, Ratsiraka, Zafy, Rajoelina ary ny HVM

. Nihaona sy nifampiresaka izy ireo teo ambany fiahian’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy ao amin’ny FFKM. Mbola mijanona ho tsiambaratelo hatreto aloha ny resaka nifanaovana. Ny tsikaritra dia tao anatin’ny filaminana no nizoran’ny fifampiresahana na dia nisy ihany aza ny fiakaran’ny maripana kely tety ivelany. Na dia tonga teny an-toerana aza ny CRN notarihan’i Tabera Randriamanantsoa dia tsy afaka niditra ny efitrano fivoriana satria tsy mbola anisan’ireo nasaina omaly. Andriambavilanitra avokoa dia Rtoa isany Olga Ramalason sy Ihanta Randriamandranto no nisolotena ny ankolafy Ravalomanana, ny solombavambahoaka isany Brunelle Razafitsiandraofana sy Michelle Ratsivalaka no avy amin’ny Mapar, Rtoa Ramisandrazana sy Atao Monfort ny an’ny ankolafy Ratsiraka, ny Pr Marcel Ramiandrisoa no nitarika ny delegasionin’ny ankolafy Zafy, raha nisolotena ny HVM sy ny filoham-pirenena am-perinasa kosa ny minisi-panjakana Rivo Rakotovao, Rachidy Mohammed ary Harrison Randrianarimanana, ity farany moa dia anisan’ireo minisitra tanan-kavanan’i Marc Ravalomanana fony izy nitantana ny firenena ary lasa mpanolotsaina an’i Hery Rajaonarimampianina ankehitriny. Mbola hitohy ary hisandrahaka amin’ny vondrona sy ankolafy hafa moa ity fakan-kevitry ny FFKM ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT