Politique

Fakan-kevitra isam-paritra Navitrika ny mpizaika tao Vakinankaratra


  • Talata 10 Martsa 2015

Afa-po tamin’ny hetsika ho fakan-kevitra manodidina ny fampihavanam-pirenena natao tao Vakinankaratra ny solontenan’ny FFKM, nahitana an-dRtoa Olga Ramalason sy Maitre Bakoly Rakotomalala. Nambaran’izy ireo fa tena narisika tamin’ny fandraisan’anjara ireo mpizaika nandritra ny telo andro na dia fohy aza



ny fotoana saingy nahavita asa goavana izy ireo satria tena ampoka hevitra maro voaangona teto. Voaporofo teto Vakinankaratra, hoy izy fa vonona handray an-tanana ny ho avy ny ety amin’ny fototra ary matoky ny tenany fa raha tahaka ny zava-nitranga teto dia azo inoana ihany fa ho tafita ny firenena. Tsy ny harena ankibon’ny tany no tena harena ho an’ny firenena fa ny olona ka tokony ho fakan-tahaka ny asa teto Vakinankaratra. Nanamafy Rtoa Olga Ramalason fa tsy hisy ho latsaka any amin’ny fihaonambe nasionaly ireto hevitra voaangona ireto amin’ny maha mpikambana ao anatin’ny komity teknika azy ireo ka harahin’izy ireo maso akaiky izany. Ny Fampihavanana dia ho an’ny Malagasy rehetra ka mahatsara zavatra ny fisian’ny fampihavanana maro etsy sy eroa toy ny ataon’ny FFM sy ny Tangalamena ka mety ho azo atao ny madravona izany ho izay ho an’i Madagasikara, hoy izy. Ny an’ny FFKM dia ny fifanarahan’ireo filoha 5 mirahalahy nitondra teo aloha no tontosainy izay fahatsapan-tenan’izy ireo manokana ka tokony hotohanana. Azo antoka fa hitondra fitoniana maharitra ho an’ny firenena ny fahavitan’ny fampihavanana satria ho foana ny elanelana ara-politika aorian’izany satria efa hita izay ny lalana ary azo antoka fa hampirisika ireo nisitaka hiverina amin’ny fanampahan-keviny ny fahavitan’ny fihaona-bem-paritra vita iny.

 

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT