Ny olana teto hatramin’izay, hoy indray ry zareo avy eo anivon’ny fikambanan’ireo tanora mpikaroka momba ny vakoka sy lova ary ny harem-pirenena na ny Tandroharena, dia tsy nisy fampihavanam-pirenena notontosaina izany fa fampihombonana na “reconciliation” mba tsy hilazana hoe fitadiavana marimaritra iraisana hatrany no nitranga teto.
Ny mpivady no hampiombonina rehefa miady ary na tsy mifankatia intsony dia asaina mijery ny ho avin’ireo zanany. Raha faritana ara-piforonan-teny kosa ny atao hoe “Fihavanana” dia midika ho fifandraisana ho toy ny mpihavana. Izany hoe asaina mifampitondra ho toy ny mpihavana mihitsy faha Vazimba ny olona tsy iray ra. Io no nahatonga ny fato-dra hisy sy ny velirano sy fifampiantsoana tody sy soatoavina hafa marobe amin’izay tsy misy sahy mivadika amin’ny teny nomeny ny tsirairay. Kolontsaina ninian’ny mpanjanaka novonoina izany mba tsy hahatsiarovantsika akory na dia ny fototra niavian’io teny hoe fihavanana io fotsiny aza, hoy hatrany ny Tandroharena. Miankina amin’ny kolontsaina hitondrana azy, araka izany, hoy izy ireo, ny fahombiazan’ny fampihavanam-pirenena ary tsy hisy hanaja izay tapaka izany mihitsy eo raha tsy asaina mivoady fa hanody amin’ny taranak’izy ireo ny ratsy ataony amin’ny firenena sy ny mpiara-belona aminy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.