Fomba fanao efa mahazatra ireo mpitondra fanjakana nifandimby ny mamintina ny dian’izy ireo rehefa mivoaka any ivelany mamonjy fihaonana iraisam-pirenena na manatanteraka fitsidihana ofisialy.
Matetika ny voalohan-teny fanokafana ny resaka dia ny hoe : «fahombiazana tanteraka ny dia notanterahana tany ivelany». Amin’ny fomba fijery tsy miangatra dia matoa milaza ny solontenan’ny vahoaka fa fahombiazana ny dia izay natao tany ivelan’ny firenena dia misy izay ny vokatra tsara azo tsapain-tànana sy mahasoa ny mpiara-belona sy ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny. Ekena fa tsy ho tanteraka eo avy hatrany ireo akon’ny dia misimisy nataon’ny filoham-pirenena miaraka amin’ireo delegasiona izay notarihany nitetezana firenena maro tato anatin’ny valo volana nitantanany ny firenena Malagasy saingy ny zavatra hita sy tsapan’ny vahoaka amin’ny ankapobeny dia toa tsy misy akony amin’ny fiainany andavanandro akory ilay hoe : fahombiazan’ny dia nandaniana ron-doha sy havizanana hoan’ireo mpitondra fanjakana ankilany miaraka amin’ny volam-bahoaka nampiasaina tamin’ny fandaniana tsy maintsy natao andaniny. Eo indrindra ary no mipetraka tokoa ny famaritana ny antsoin’ireo tompon’andraiki-panjakana ho fahombiazan’ny dian’izy ireo ary fahombiazana hoan’iza sy mitondra mankaiza tokoa moa izany? Hadihadio sy vahavahao, hoy ny fahita amin’ny laza adim-panjakana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.